Maty tsy tra-drano ny vehivavy iray voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, ny harivan’ny alahady 25 oktobra teo, tamin’ny 6 ora sy 10 minitra. Nandeha tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra soa aman-tsara ity vehivavy ity, araka ny loharanom-baovao. Nandeha mafy ny fiara rehefa nandalo ny tetezana Ambinany mihazo ny lalana hiditra an’Antsikafoka. Ahina ho tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ny mpandeha an-tongotra. Voafaoka, voahitsaky ny kodiarana aloha ity vehivavy lasibatra ity. Nandrika ny ra ary tavela tao ambanin’ny fiara izy. Vaky tanteraka ny lohany ka nitarika tsy fahatsiarovan-tena. Niezaka hanavotra azy ny nanatri-maso, saingy efa tsy nisy aina intsony izy. Manararaotra ny hatsaran’ny lalana ireo mpampiasa fiara ka misy ny mandeha mafy tsy araka ny hafaingam-pandeha tokony ho izy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Nogiazana ny fiara nahavanon-doza ary naiditra am-balam-pamonjana. Notanana ny mpamily ary atao famotorana. Marihina, matetika mitera-doza eny anivon’ny lalam-pirenena ny fandehanana mafy ataon’ny mpamily.
Tsiferana R.





