Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Mining Business Center, Ivato, omaly, ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny polisy. Natolotra, tamin’ izany, ny fehin-kevitra rehetra hanatsarana ny fomba fiasan’ ny polisy. Mikendry ny hamolavolàna endrika vaovao ho an’ny Polisy ao anatin’izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Vaindohan-draharaha tamin’ izany ny ady amin’ny kolikoly. « Manjaka loatra ny kolikoly eto amin’ny minisiterantsika, manaratsy endrika izany, anisan’ny fomba iray nanovana endrika sy nitondrana fanavaozana eo anivon’ ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka izany», hoy ny Tale jeneralin’ ny polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Tsaramonina Jean Victor. Nambarany fa misy polisy manao ny asa araka ny tokony ho izy, misy kosa ny manaratsy endrika ny polisim-pirenena, toa lasa fahavalom-bahoaka. « Tena mampaloto antsika ny kolikoly, ataovy fady manomboka anio raha tiana ho tratra ny fanatanterahana ny endrika vaovao », hoy izy. Finiavana sy fanavaozana ara-panahy no tena mandeha raha te hiady amin’izany. « 65 taona, nijoro ny polisy, 10 taona no andrasana sy andrafetana ny vina sy ny endrika vaovao apetratsika », hoy ihany izy. Etsy ankilany,
« zava-dehibe ny fahitsiana ho an’ireo mpitandro ny filaminana raha tiana ny hisian’ny fanavaozana marina ka hitarika amin’ny fampandrosoana tena izy », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lahateniny. « Ilaina ny fanavaozana ifotony mba hahafahana manavao ny rafitra misy ny Polisim-pirenena ankehitriny », hoy kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police, Erick Michel, nandritra ny fanolorana ny tatitry ny fikaonandoha.
Mino





