Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN12A, mampitohy an’i Masianaka (PK200+800) sy Vangaindrano (PK232). Mahatratra 36% ny fahavitan’ ny asa, ankehitriny. Mirefy 32 km ny lalana vita godirao manontolo. Atao « béton précontraint » ny tetezana Masianaka, mirefy 403 m. Atao « béton précontraint » ihany koa ny tetezana Antaratasy, mirefy 70 m.
Anisan’ireo firenena 6 aty Afrika sy Azia
misitraka ny tohana hahazoana tombony avy amin’ny otrikarena stratejika i Madagasikara. Ny Firenena mikambana no manohana an’ity fandaharanasa ity, izay fantatra nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena World Investment Forum, natao tany Doha Qatar, nisokatra ny 25 oktobra teo. Mikarakara azy ny Fihao_namben’ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced).
Mitohy ny fizarana jirobe (Cobra) ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) any
amin’ny faritra. Anisan’ny nisitraka izany ny tanànan’i Vohémar, Andapa, Sambava, Antalaha, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Maintirano, Mahabo, Miandrivazo, Morondava, Belo Tsiribihina, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ambalavao, Sakaraha, Toliara I sy II, Manja, sns.





