Fampandrosoana eny ifotony: Mitaky ny hitantanany ny volan’ny Ciad ny ben’ny Tanàna

Mitaky ny handraisan’izy ireo an-tanana ny fampandrosoana ny kaominina ny ankamaroan’ireo ben’ny Tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny vola ho fampandrosoana ny eny ifotony ka itakian’izy ireo ny hitantanana ny Ciad.

Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Mamy Gaston, fa efa natsidika tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny hetaheta itantanan’ny ben’ny Tanàna ny volan’ny Ciad. « Voaresaka teny Iavoloha izany tamin’ny fihaonana tamin’ny filoha, herinandro vitsy lasa, ka miandry ny tohiny izahay », hoy izy. Anisan’ny antony itakian’izy ireo ny hitantanana izany ny tsy fahazoan’ny kaominina sasany ny Ciad tao anatin’ny roa taona farany. Ao koa ny fahazoana fitaovana, toy ny jiro vitsivitsy na koa nijerena loko politika. Anisan’ izany ny ben’ny Tanàna any Befotaka Atsimo, Yvonne. « Izahay efa tsy miresaka izany Ciad izany intsony, indrindra amin’ny maha Irmar anay », hoy izy.
Na izany aza, nohamafisin’ny sasany amin’izy ireo fa hoentina any amin’ny fihaonambem-pirenena ny momba izany.
Etsy andaniny, niaiky ny ben’ny Tanàna, Julousse, fa tompon’ny teny farany amin’ny volan’ny Ciad ny depiote raha natao fakana hevitra fotsiny ihany ireo ben’ny Tanà­na. « Efa voalazan’ny lalàna izany ary asa nataon’ny mpitondra teo aloha… Azo ahitsy anefa ny lalàna momba izany », hoy izy. Ho an’ny ben’ny Tanàna, Laha Tovon­kery Jean, tokony hahaleo tena amin’ny fitantanana izany izy ireo ka tokony hivantana any amin’ny kaominina avy hatrany ny vola, araka ny nambarany. « Tokony ho efa manana ny azy manokana ny depiote », hoy izy.

Mitentina 250 tapitrisa Ar
Nambaran’ny solombavambahoaka iray fa mbola ho hita eo ny momba izany hitantanan’ny ben’ny Tanàna ny volan’ny Ciad izany.
Tsiahivina fa mitentina 250 tapitrisa Ar isan-taona ny volan’ ny Ciad ary tantanin’ny depiote iray. Manome sosokevitra amin’ny filana fototra handaniana izany vola izany kosa ireo ben’ny Tanàna. Anisan’izany ohatra, ny fotodrafitrasa na fampi­taova­na. Tomponandraikitra miara-miasa amin’izy ireo amin’izany ny sefo distrika na ny « Préfet ».

Synèse R.

Partager sur: