Nitohy tany amin’ny faritra Sofia, tao Port Berger, indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko MMM, ny herinandro teo. Voaresaka tamin’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa ilaina ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny zotram-pifidianana mba hadio sy hangarahara ka tsy hiverenan’ny krizy eto amin’ny firenena intsony. « Tsy mbola mety ary tsy tokony hikarakara fifidianana io Ceni amin’izao endriny izao io. Mila diovina ny tokotany ary vahana ny olana mateti-pitranga… Tsy tokony hijanona amin’ny fanoloana olona fotsiny isika na zava-dehibe aza izany. Ilaina ny fanavaozana ny rafitra sy ny lalàna », hoy izy. Anton’izany ny hahazoana antoka ny safidim-bahoaka.
Nanteriny fa sorohina dieny izao ny mety hiteraka disadisa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mbola nohamafisin’ny MMM hatrany ny fitakiana ny fepetera hentitra sy sazy faran’izay henjana amin’ireo mpanodinkodina ny safidim-bahoaka sy mpangala-bato. Nohitrikitrihin’izy ireo koa fa ireo mizaka zo-pirenena malagasy irery ihany no afaka mirotsaka hofidiana.
Nomahafisin’ny MMM koa fa azo tsaboina amin’ny alalan’ny fametrahana ny faritra mahazaka tena avokoa ireo olana eny ifotony, miaraka amin’ny fanovana toe-tsaina ary fanarahana ny lalàna, araka ny nambarany. Havaozina hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ny fomba fitondrana, ny fanjakana tan-dalàna sy fahaiza-mitantana ary ny ady amin’ny kolikoly.
Synèse R.





