FANTINA sy FINTINA

Mahana amin’ny nataony ny depiote Rajerison Antoine sao hisy fiantraikany aminy ilay fitoriana napetrany teny amin’ny HCC, araka ny nambaran’ny solombavambahoaka Razara Pierre Fidèle. « Mbola tsy nisy ny taratasy nosoniavin’ny birao maharitra mankatoa ny fanesorana ny zo tsy azo hanenjehina ny depioten’Arivonimamo », hoy izy.

Nifantoka tamin’ny fanadiovana lakandrano tsentsina ny mpikambana Tim ao Fianarantsoa, omaly. Niara-nisalahy tamin’ny mponina teny an-toerana ireo mpikambana vitsivitsy sady nanome tolo-tanana tamin’ny asa. Anisan’izany ny fampitaovana sy fitaterana ireo fako tamin’ny alalan’ny kamiao.

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampi­renena, Randrianasoloniaiko Siteny, tao amin’ny biraony ao Tsimbazaza, omaly, ny Tale jeneralin’ny orinasa Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe Amont (CGHV), Rémy Hubert. Notronin’ny Talen’ny serasera sy ny fifandraisana ivelany, Razafindrakoto Enick, izany. Tohin’ny dinika efa natomboka tamin’ny volana jolay lasa teo ity fihaonana ity, izay nifantoka tamin’ny fampandehanana sy fampandrosoana ny tetikasa Volobe.

Partager sur: