FADEP sy ny proximité : Nivoaka ny anaran’ireo mpamp­i­anatra ho mpiasam-panjakana

Navoaka omaly ny lisitry ny mpampianatra Fram manerana ny Nosy namaly ny antso ka voaray tao anatin’ny Formation à distance des enseignants du primaire (Fadep) sy ny proximité.

Ny 15 janoary lasa teo no nanaovan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena antso AAO ho an’ ireo zavatra roa ireo. Betsaka ny pitsopitsony nojerena mahakasika ny taratasy avy amin’ireo nandray anjara ta­min’ny fifaninanana. Nampa­ha­fan­tarina omaly ny lisitra mirakitra ireo afaka, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny INFP, Rakotoharisoa Andria­maro­lahy Diamondra.

Ny Fadep no handraisana ireo mpampianatra Fram 6 300 isa, izay manana bakalorea ary niofana tamin’ny alalan’ny tablette na fitaovana niomerika hafa. Sady miasa no manampy fiofanana ma­haritra roa taona, iarahana amin’­ny INFP, ahazoana mari-piofanana manamarina izany. Nojerena koa ny naoty azony tamin’ny taranja maromaro nandritra ny fanadinana bakalorea.
Ny Proximité kosa dia fiofanana manakaiky, handrai­sana mpampianatra 8 000, manana ny mari-pahaizana CAP. Sady miasa no mana­raka fiofanana nefa tsy miala amin’ny toerana niasany nandritra ny fiofanana herintaona nokarakarain’ny INFP. Ireo Fram manana bakalorea no afaka nifaninana.
14 625 no namaly ny antso ho an’ny Proximité, 9 812 ny antontan-taratasy azo nodinihina. 7 067 ny toerana afaka nandraisana. 5 641 no afaka nanaraka ny fepetra AMI ary taorian’ny fikarakarana ny antontan-taratasy, nahatratra 1 426 no voaray. Ny Com­mis­sion d’entente no nanapaka ny fitsinjarana ny anjaran’ny Cisco sy ny Dren. Nisy Cisco tsy nahavaly mihitsy ilay AMI ka nafindra amin’ny Cisco mifanila aminy ilay isa tokony ho azy.
Ho an’ny Fadep kosa, 16 694 ny antontan-taratasy voaray ka ny 15 268 tamin’ireo no afaka nokirakiraina ho an’ny toerana 6 300. Misy ireo 6 050 nanaraka ny fepetra ary 850 afaka taorian’ny fikirakirana ny antontan-taratasy.

Vonjy

Partager sur: