INDRAY MIJERY

Nahazo fampitandremana miloko mavo ho an’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy, anio tontolo. Voakasik’izany ny faritra Matsiatra Ambony, Fitovinany, Mananjary, Ivohibe, Vondrozo ary Farafangana. Manaitra ny mponina hanamafy ny fahamailoana amin’ny mety ho fiakaran’ ny renirano ny Meteo.

Nampahafantarina ny Design for Change, fandaharanasa natao ho an’ny ankizy, mitondra fiovana eo amin’ny toetra sy ny fihetsiky ny ankizy, ny mpampia­natra ary ny fiarahamonina ity fandaharanasa ity. Dingana efatra no arahin’ireo mpisehatra dia ny famantarana ny olana, ny fakana sary an-tsaina ny vahao­lana, ny fanatanterahana ny asa am-piniavana ary ny fizarana izany amin’ny manodidina.

Mitohy ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna ho an’ny CUA. Sokirina ny tatatra, amboarina ny sarona tatatra, raha ny hita teny Andafiavaratra sy Ankazotokana. Mitera-doza ireny tatatra tsy misarona ireny rehefa avy ny orana satria mety ho latsaka any ny mpandalo, indrindra ireo ankizy mihazakazaka maika hamonjy fodiana.

Partager sur: