Ao anatin’ny roa andro… Hotanterahina eo amin’ny « Parking » ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny 31 oktobra sy ny 1 novambra izao, ilay hetsika « Roxicomania Festival ». Fampisehoana an-tsehatra ahitana mpanakanto mahatratra 18 sy ireo talenta vao miisa 13. Anisan’ny tanjona amin’ity hetsika ity ny haneho fa misy karazany maro ny rock fa tsy ireny efa mahazatra ny sofina ireny ihany. Iray amin’ireny ny « beko rock », ny « alternatif », ny « soft rock », sns. Maro, manaraka izany, ihany koa ny tarika sy ny mpanakanto miangaly azy ity, ankehitriny, indrindra fa ny tanora. Hiaka-tsehatra eny an-toerana ry Reko Band, tarika Iraimbilanja, Rolf, Nully Gafunk, Andriamaninto. Ho avy ao ihany koa ry Shiny, Insidz, Blue’d & Njiva, Highomellow, Neverfall, Sidina, Load, Taoro, Behind The Twelves, Tsilavina Rakoto, Ultime Vibration, Mozika Fototra, Gravity.
Raha ny tantara sy ny fivoaran’ny hira teto Madagasikara, iray amin’ireo nanana ny lanjany teny anivon’ny fiarahamonina ny rock. Tsy lefy ny lazany fa efa zary mitoetra eo amin’ ny taranaka mifandimby.
HaRy Razafindrakoto





