Zavakanto sy tontolo iainana: Haneho ny « De l’ordure vers l’art dur » i kaMi

Tsy mijanona eo amin’ny famalifaliana ny maso… Fa mipaka hatrany amin’ny fanairana ny fo sy ny saina amam-panahy hitodika amin’ny tontolo iainana. Mampita hafatra amin’izany ny ranty hataon’i kaMi.

Fampitan-kevitra anisan’ny miteraka fahombiazana ny zavakanto. Afaka porofoina amin’ireo sanganasan’i Pierre Rémi Léduc Michael na i kaMi izany. Ha­neho ny « De l’ordure vers l’art dur » eny amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo izy, ny 5 novambra ka hatramin’ny 23 desambra ho avy izao. Fam­pirantiana tsanganasa avy amin’ny fampiasana ireo ako­ra heverina fa tsy ilaina intsony kanefa ahafahana mamoaka lohahevitra mafonja isan-karazany. Eo ihany koa ireo sokitra samihafa.
Araka io lohateny sady lohahevitra io, tafiditra ao anatin’ny hafatra ampitain’i kaMi ny fitandremana ny tontolo iainana manodidina mba tsy ho rakotry ny fako. Fanentanana ny rehetra fa manana fiantraikany ratsy ho an’ny fiarahamonina iray manontolo izy ireny. Fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy sy fanehoana ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonin’ny Mala­gasy ihany koa. Mampifa­matotra sy mampifandray rindrandamina lehibe maromaro ny tsanganasan’i kaMi. Ani­san’ireny ny fifanjohiana eo amin’ny fomba amam-panao fahiny sy ny iainana ankehitriny. Ny fifamatorana eo amin’ny endrika amam-bika (tsara, kanto…) sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Mpanakanto manana ta­lenta maro i kaMi. Avoakany amin’ny alalan’ny hairaha ara­ka endrika amam-bika izany. Ao koa ny fampiasana ny loko, ny sary sokitra, fa indrindra ny fanatanterahana tsanganasa avy amin’ireo akora na zavatra heverina fa tsy ampiasaina intsony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: