Hoentin’ny tarika Iray Fy’Art, mpilalao tantara amin’ny radio, etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba (AFT), ilay tantara an-tsehatra « Faty mitsangana ».
Hotanterahina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora, izany. Tantara mampatahotra sy mampihorohoro io hoentin’izy ireo an-tsehatra io. «Ahitana ny fifangaroan’ny resa-pitiavana mivaivay sy ny valifaty ao ambadik’izany ary koa ny fampihomehezana eny anelanelany eny», hoy ny filohan’ny tarika, Niravo. Nosoratan’izy ireo sy narindra mba haseho an-tsehatra izany tantara izany.
Anisan’ny ho hita eny an-tsehatra ireo mpilalao tantara amin’ny radio ao amin’ny tarika Iray Fy’Art. Eo Rakoto sy Faly ary i Synèse, miaraka amin’i Niravo sy i Soafaniry. Hikajy ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra kosa i Bruno Rakotomalala.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika karakarain’ny Alliance Française (AFT) amin’ny alalan’ny « Festival du Thriller et du Polar », andiany fahadimy, izao seho an-tsehatra izao. Miaraka amin’ny lohahevitra « L’art de faire peur: le thriller et le polar dans tout ses états » izany.
Efa fanintelony izao ny fiaraha-miasan’ny tarika Iray Fy’Art sy ny AFT, ankoatra ireo fiangonana sy sekoly ary fikambanana samihafa. TEo koa ny televizionina nanatanterahan’izy ireo seho an-tsehatra sy tantara ary horontantsary fanentanana.
HaRy Razafindrakoto





