Sehatra mampiofana ny ray aman-dreny : 24 taona ny sekoly miaraka amin’ i Margo

Namaky lay ny fametrahana ny sekolin’ny ray aman-dreny teto Madagasikara ny mpanolotsaina pedagojika nandritra ny taona maro, Rasoanindrina Marguerite (Margo)

24 taona ny sekolin’ny ray aman-dreny, iza­y nanomboka ny taom-pianarana 2002-2003, tao amin’ny sekoly katolika Providence Antananarivo. Taorian’ny fampiofanana ny mpampianatra momba ny “psychologie de l’enfant” hanamorana ny fampitana ny fampianarana, nangataka izy ireo mba hofanina koa ny ray aman-dreny mba tsy hiasa irery ny mpanabe. Sehatra ahafahana mampiofana sy manabe ny ray aman-dreny, izay mpampianatra voalohany eo amin’ny ankohonana, ny sekolin’ny ray aman-dreny.
Niparitaka teny amin’ny sekoly maro ny fivoizana izany ka samy tomponandraikitra ny ray sy ny reny amin’ny fanabeazana. Mitovy fijery ny mpampianatra any an-tsekoly sy ny ray aman-dreny ka tsy hifanilika andraikitra.
Nampidirina koa ny fa­nampim-pahalalana ho an’ny mpivady “psychologie comparée de l’homme et de la femme ». Misy fiantraikany eo amin’ny zanaka mantsy rehefa tsy mifankahalala i dada sy i neny. Mampihena ny olana sedrain’ny zanaka eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy any an-tsekoly izany, araka ny fanazavany.
Miara-miasa amin’ny radio sy fahitalavitra koa izy manapariaka ny tombontsoa entin’ny sekolin’ny ray aman-dreny sy ireo lohahevitra maro mifandraika amin’ny fanabeazana ny zaza.
Faritra 15 no efa nandray ny sekolin’ny ray aman-dreny nandritra ny 24 taona. Sekoly mahatratra 202, nahitana ray aman-dreny 81 270, no efa nanatrika sy nandray ny fampiofanany.
Hankalaza ny 25 taona ny sekolin’ny ray aman-dreny miaraka amin’i Margo amin’ny taona hoavy. Hosokafana amin’ny fanomezana famelabelaran-kevitra maimaimpoana ho an’ny rehetra izany.

Vonjy

.

Partager sur: