Nosantarina ny volana marsa lasa teo, hitohy mandritra ny telo taona, ny fiaraha-miasan’ny orinasa Orange Madagascar sy ny Fakiolten’ ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia (EGS) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tanjona ny hampivelatra ny fahafahan’ny mpianatra misehatra amin’ny asa sy hanohana ny firosoan’ny Fakiolte anatin’ny niomerika. Manao tantsoroka ny Orange mandritra ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka hampifanatonana ny mpianatra sy ny mpitantana orinasa, hanomezan-danja ireo vina sy tetikasa. Horaisina eo anivon’ny Orange Digiatal Center ireo mpianatra avy amin’ny andiany Mahatsangy, sampana toekarena, hanamafisana ny fahaiza-manao niomerika sy hanomanana ny firotsahana amin’ny tsenan’ny asa. Nisy koa ny fanofanana tanora mpianatra 15 avy amin’ny EGS momba ny IA générative hifehezan’ny mpianatra ny fikirakirana azy. Hanaovana fikarohana sy hamolavolana ny fampahafatarany ny tetikasany manokana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Orange, Ranaivoson Valérie, omaly, teny Soarano.
Hiitatra amin’ny mpampianatra ny fampiofanana momba ny IA, hahafahan’izy ireo mifehy ny fikirakirana rehetra. Mikarakara Boot Camp, EGS impact sprint koa ny EGS sy ny Orange hamondronana tanora mpianatra 60 (hizara ekipa 20) avy amin’ny sampana telo anatin’ny fakiolte amin’ny famolavolana tetikasa. Mifototra amin’ny fandraharahana maharitra sy ny fampandrosoana eny ifotony ny tetikasa ka homena tantsoroka ny tetikasa mendrika.
Vonjy





