Manazava ny Mesupres fa manan-kery herintaona ny antontan-taratasy apetraka ho an’ireo tolotra momba ny vatsim-pianarana rehetra mivoaka. Maimaimpoana ny fametrahana sy ny fikirakirana izany. Raha misy tranga mampiahiahy dia afaka miantso ny 034 01 042 16. Ao amin’ny rihana faharoa, ao amin’ny sampandraharaha mikarakara ny vatsim-pianarana any ivelany, etsy Analakely, no hahafahana mahazo ny fanazavana fanampiny.
Hisy fidinany misongadina ny maripana saika manerana ny Nosy, manomboka anio hatramin’ny alahady. Hiverina ho maina ny andro any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tsy ho marin-toerana ny habaka any an-kafa. Fampitandremana miloko mena amin’ny habetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, Fitovinany sy ny distrikan’Ifanadiana….
Nesorin’ny Apipa ny tsikafona sy ny fako manelingelina ny fikorianan’ny rano ao amin’ny lakandranon’Andriantany Ampefiloha. Tafiditra ao anatin’ny asa fiatrehana ny taom-pahavaratra ny fanadiovana atao. Mitohy amin’ny toerana hafa ny asa.





