Lalao olympika ho an’ny tanora : 44 ny Malagasy delegasionina

Nanainga omaly, nihazo an’i Dakar, renivohitr’i Senegal, hiatrika ny lalao Olympika ho an’ny tanora, hotontosaina ny 31 oktobra–13 novambra ho avy izao, ny delegasionina malagasy. Miisa 44 izy ireo no lasa any an-toerana. Enina ny taranja handraisan’ny Malagasy anjara. Ny rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, Ny ping-pong, ny lutte, ny judo, ny lomano, ary ny atletisma.
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny komity olympika malagasy, mandray anjara amin’ny fibatana fonjamby ihany koa i Madagasikara. Saingy, tsy natao hifaninanana ity taranja ity fa nosokajiana ho lalao fampirantiana fotsiny ihany.
Ankoatra izany, nampahafantarina omaly fa i Bryan, Malagasy mpikatroka judo, izay efa zokiny indrindra amin’ireo atleta no hitondra ny fanevam-pirenena ho an’ny lehilahy, raha toa ka i Océane, atleta mpilomano, ny an’ny vehivavy.
“Tanjona ny hahazoana ny fandresena ary voninahitra ho ahy ny hitondra ny fanevam-pirenena malagasy izany amin’ny lalao olympika tahaka izao”, hoy i Bryan.

Fitia Randria

 

Partager sur: