SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano, ny 2 ka hatramin’ny 7 novambra ho avy izao ny Fiba National Youth Camp, taranja basikety. Fiofanana ho an’ireo mpanazatra mpampiofana tanora miisa 30 sy mpilalao miisa 42. Miampy ireo ao amin’ny sokajy 14 sy U16 zazavavy. Hitarika izany i Naoufal Uariachi, Fiba Instructor Camp Director.

Nanainga omaly, nihazo an’i Dakar, renivohitr’i Senegal, ny Makis Ladies, hiatrika ny lalao Olympika ho an’ny tanora eo amin’ny taranja rugby. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “B” no misy azy ireo, miaraka amin’i Etats-Unis, Espagne ary Tchécoslovaquie.

Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U23 lahy sy vavy, ny ligin’i Vakinankaratra. Hotanterahina ny sabo­tsy 31 oktobra ka hatramin’ny sabotsy 7 novambra ho avy izao izany.

Partager sur: