Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny orinasa Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Ho fanamarihana izany, hikarakara fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ireo orinasa “corporate games” izy ireo, ny 30 sy 31 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Miisa telo ireo taranja hifanintsanana amin’izany. Anisany ny baolina kitra lalaovin’olona fito, ahitana ekipa 27; ny basikety hiarahan’ny lahy sy vavy, misy ekipa14 ary ny tsipy kanetibe, 33 ekipa ho an’olon-droa miaraka.
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpikarakara, Razafindratandra Ugo, tsy mahazo mandray anjara ny mpilalao efa milalao amin’ny sehatra matihanina. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ireo mpiasa sy hampanjakana ny toe-tsaina tia mifampizara.
Eo amin’ny loka kosa, hanolotra vola mitentina 700 000 Ariary ho an’ny tompondaka amin’ny baolina kitra ny AFG Banque, 500 000 Ariary ho an’ny mpandresy amin’ny basikety ary 200 000 Ariary ho an’ ny tompondaka amin’ny tsipy kanetibe. Hisy ihany koa ny loka samihafa ho an’ireo mpandray anjara omen’ny Orange Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa, ankoatra ny amboara omen’ny EDBM.
Fitia Randria





