Imerintsiatosika : Taolam-paty enina hita tao anaty alan-kesika

Miverina indray ny fahitana taolam-paty. Taolam-balo miisa enina hitan’ny fokonolona tao anaty alan-kesika tany Imerintsiatosika, omaly. Tsy nisy karandoha ny iray tamin’ireo. Nahitana soratra maro tamin’ny lamban-drazana.

Nahitana taolam-paty miisa enina indray tao anaty alan-kesika, ao amin’ny fokontany Fiadanana, Antongombato, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Ari­vo­nimamo, omaly 01 novambra 2026 maraina tokony ho tamin’ny 7 ora tany ho any. Mponina nandeha nianga maraina, sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra maromaro tao anaty fonosana ka nampandre ny sefo fokontany. Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ny manam-pahefana avy amin’ny zandarimariam-pirenena avy ao Imerintsiatosika, taorian’ny antso. Hita fa taolam-balo miisa enina, efa tsy nisy nofo intsony no hitan’ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, izay natao tao anaty lamba. Hita teo amin’ny tany niaraka tamin’ny lamban-drazana maromaro izay naparitaka tao anatin’ny alan-kesika ireo. Tsy nisy karandoha ny iray tamin’ireo taolana, raha ny fanazavana voaray. An­koatra izay, nahitana “tee-shirt” maromaro sy lamban-drazana koa niaraka tamin’
ireo taolana.

Nahitana anarana
Etsy ankilany, nahitana soratra misy anarana maromaro ihany koa teo amin’ireo lamba namonosana ny razana. Anisany voasoratra tamin’ izany ny anarana hoe: Ezena, Lematsao, Lepera – Ledodisy, Tanimbary-Savarao ary Vezo. Mbola tsy fantatra mazava na anaran’ny maty na anaran-toerana niaviana ireo anarana.
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana, nentina any amin’ny toerana azo antoka ireo taolam-balo hanaovana fanadihadiana lalina. Anisany ho jerena amin’izany ny famaritana na lahy na vavy. Eo koa ny famaritana ny taonany ary ny antony nahafaty ireo olona ireo. Ha­tramin’io daty nahitana ny razana io, mbola tsy fantatra mazava ny niavian’ireo taolam-paty sy ny antony nahatonga izany tao anatin’ny alan-kesika ao Antongombato. Mi­tohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao Imerintsiato­sika, ahafantarana ny valin’ny fizahana atao amin’ireo taolam-balo.

Mino

Partager sur: