Zaza 9 taona ny iray tamin’ireo mpandeha valo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao amin’ny lalam-pirenena faha-44 tao Manakambahiny Andrefana, tsy lavitra ny masera, omaly tamin’ny 7 ora. Niainga avy any Tanambe, nikasa hihazo an’Ambatondrazaka, ity fiara mpitatitra ity. Nentin’ny mpamily mpanampy ny fiara niala tao Tanambe nihazo an’Ambaiboho. Noraisin’ny mpamily taorian’io kanjo nivilivily tampoka, araka ny fitantaran’ireo mpandeha tra-doza. Niala ny arabe, nivadika ny taksiborosy. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha. Nentina namonjy ny hopitaly ao Manakambahiny Andrefana sy ao Ambatondrazaka avy hatrany izy ireo. Arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Nihoatra ny isan’ny mpandeha tao anatin’ny fiara, araka ny loharanom-baovao. Nisy tamin’ireo mpandeha voatery nijoro noho ny fahafenoin’ny toerana. Ahina ho nandeha mafy ihany koa ny fiara. Matetika manararaotra ny hatsaran’ny lalana ny mpamily, araka ny fanazavan’ny zandary. Ilaina hatrany ny fanajana ny hafainganam-pandeha hisorohana ny loza tahak’izao.
Tsiferana R.





