Hita faty nitsirara tamin’ny sisin-dalana ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ankarahara, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly maraina. Niala tany amin’ny fokontany Sarodrivotra, kaominina Bevato, izy hamonjy tsena tao Tsiroanomandidy, ny sabotsy 1 novambra, araka ny loharanom-baovao. Tsy hita sady tsy naharenesan’ny fianakaviany vaovao intsony anefa ity lehilahy ity taorian’io. Nitady ny havany, saingy tsy nisy nahitana mangirana mombamomba ny toerana izay mety ho misy azy. Ny alahady vao maraina tamin’ny 7 ora, mpiangona hamonjy fiangonana no nahita fatin’olona mitsirara. Niantso ny tomponandraikitra ny fokontany avy hatrany ny nanatri-maso. Niroso tamin’ny fizahana ny vatana mangatsiaka an’io olona hita faty io ny mpitsabo. Nahitana mangana ny faritry ny fihirifan’ity lehilahy 35 taona namoy ny ainy ity. Nipotsaka ny voamasony. Ahina ho novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy satria tsy hita teo aminy intsony ny filahiany. Manoloana ity tranga vonoan’olona mahatsiravina ity, miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’ity lehilahy hita faty ity, taorian’ny fizahan’ny mpitsabo.
Tsiferana R.





