Voasafidy hisitraka ny vatsim-pianarana Ghislaine Dupont sy Claude Verlon i Nadia Razafimahatratry, mpanao gazety sy Yves Ramarosandratana, teknisianina. Hahazo fiofanana mandritra ny efatra herinandro, any Paris izy ireo. Hiantoka ny fandaniana rehetra amin’izany, ny Radio France Internationale (RFI).
Natolotra tetsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), Analakely, omaly, ireo mpanao gazety nisitraka ny vatsim-pianarana Ghislaine Dupont sy Claude Verlon 2026, any Paris. I Nadia Razafimahatratry, mpanao gazety sy Yves Ramarosandratana, teknisianina, no voafidy ho mpandresy tamin’ity andiany faha-13 ity. Hisitraka fiofanana mandritra ny efatra herinandro any Paris, Frantsa, izy ireo amin’ny telo volana voalohany amin’ny taona 2027. Ny Radio France Internationale (RFI) no hiantoka ny fandaniana rehetra amin’izany. Tanjona amin’ ny hetsika ny hanomezana sehatra sy fanohanana ireo tanora malagasy miasa eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety sy ny teknika
amin’ny haino aman-jery. Ankoatra izay, natao ho fahatsiarovana an’i Ghislaine Dupont sy Claude Verlon, mpanao gazety sy teknisianina tao amin’ny RFI, izay namoy ny ainy tao Kidal, avaratr’i Mali, ny 2 novambra 2013 ihany koa ny hetsika.
Fanadihadiana mahakasika ny herisetra
Mpanao gazety ao amin’ny Fitantanana rezionalin’ny Serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny faritra Itasy i Nadia Razafimahatratry, 34 taona. Manana mari-pahaizana Master 2 amin’ny lalàna tsy miankina sy ny asa fanaovan-gazety izy. Nanome feo ho an’ireo vehivavy niharan’ny herisetra an-tokantrano ny tatitra nataony tamin’ity fifaninanana ity. Noderain’ny mpitsara ny fahasahiany tamin’ny fisafidianana io lohahevitra io. Teknisianina ao amin’ny Radio Fafi, sady injeniera manam-pahaizana momba ny elektronika kosa i Yves Ramarosandratana, 32 taona. Ny fanadihadiana momba ny fanefena vy sy fanaovana sary sokitra vita amin’izany ny lohahevitra nosafidiany. Nampahafantariny tamin’ny alalan’ny fanadihadiana tamin’ny feo izany. Noderain’ny mpitsara manokana ny kalitaon’ny fakana feo sy ny fandrindrana ny feo tao anatin’ilay tatitra.
Marihina fa tanora malagasy nahitana mpanao gazety miisa dimy sy teknisiaina miisa dimy no nandray anjara tamin’ity fifaninana ity. Niatrika fiofanana sy atrikasa nandritra ny roa herinandro, tetsy amin’ny foiben’ny Ofisim-pirenena misahana ny Radio sy ny Televiziona Malagasy (ORTM) Anosy izy ireo, mialoha izao dingana izao.
Mino





