Ho fampiroboroboana ny tontolon’ny sarimihetsika, hisy ny fiofanana maimaimpoana momba ny sarimihetsika sy ny haisehatra. Tetikasa tanterahin’ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy (ISSM) sy ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac), iarahana amin’ny “Creare Training Centre” ity fampiofanana ity. Mikarakara izany kosa ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Ny 10,11 ary 12 novambra izao no hanatanterahana ny fiofanana, ao amin’ny Efitrano Dox Tranombokim-pirenena Anosy. Anisan’ny hianarana ny fanoratana tantara, ny filalaovana an-tsehatra, ny tantara an-tsehatra ary ny “Clown” sy ny “Mime”. Mampiofana, anisan’ny hizara ny traikefany amin’izany, i Cornelys sy i Jolene du Plessis. Misokatra ho an’ny rehetra ny fiofanana, na vao hanomboka, na ny efa mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Hahatitra 4 andro, dia ny 2, 3, 4 ary 5 novambra izao, ny fisoratana anarana, araka ny fanazavana.
Mi.Raz





