Ny fahafatesana amin’ny Malagasy : Hisy ny loa-bary an-dasy hifanakalozan-kevitra

Manana ny fiheverany ny fahafatesana ny Malagasy. Tsy itovizana ny hevitra ary samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Tsy toe-javatra mandalo fotsiny ihany koa izany fahafatesana izany, ho an’ny Malagasy fa misy dikany lehibe. Lovan-tsaina, finoana sa fomba fijery miovaova? Io ny fanontaniana mipetraka. Ho famaliana izany fanontaniana izany sy hahafahana mamoaka ireo hevitra samihafa, hisy ny loa-bary an-dasy hifanakalozan-kevitra, ny alarobia 4 novambra izao, eny amin’ny Efitrano Dox Tranom-bokim-pirenena Anosy, ma­nomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Ny Famo­loana Telozoro no mikarakara ny hetsika, ka zoky raiamandreny 3 no hifampizara fahalalana amin’io fotoana io. Ani­san’izany, Randrianalidera Radoniriana Robin, mpitandrina eo anivon’ny FJKM. Eo ihany koa Zoky Tahina Hebrio,mpankasitraka fomba gasy miaraka amin’ny finoana Hebrio ary Randrianirina No­menjanahary Herizo (Saka­be), mpandala fomba. Hisy ny fifanakalozan-kevitra, fizarana fahalalana sy traikefa, fomba fijery samihafa na mifameno, hahafahana manasongadina ny fomba malagasy mahakasika ny lohahevitra hoe ” Ny fiheverana ny fahafatesana amin’ny malagasy: Lovan-tsaina, finoana sa fomba fijery miovaova?”. Miara-dalana amin’ny mpikarakara, amin’ity hetsika ity, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay manome lanja ny haren-tsaina marolafy sy manome sehatra ny literatiora sy ny fomba amam-panaony.

Mi.Raz

Partager sur: