TARATRY ny KANTO

Ho fanohanana ny fitsaboana an’i Alexie any Inde, hisy ny seho lehibe hatao ny sabotsy 7 novambra izao, any Antsirabe, ao amin’ny Espace Rojo. I Luc, i Farakely ary i Mahery no hiaka-tsehatra mandritra izany. Hanomboka amin’ny 7 ora hariva ny seho ary ny vola rehetra azo dia hatolotra ho fitsaboana an’i Alexie, ilay tovovavy 17 taona tratran’ny “insuffisance rénale” ka tsy maintsy didiana any Inde.

Hisy fifaninanana natokana ho an’ny mpianatra eny amin’ny Lisea , mitondra ny anarana hoe “Duo Slam”, mandritra ny Festival Madagaslam 2026. Misokatra ho an’ny Lisea rehetra eto Antananarivo ity Slam Poezia ity ary teny roa no ampiasaina, dia ny anglisy sy ny teny malagasy. Lohahevitra ny hoe « Isika Amin’ny 2030 — US IN 2030 ».

Fanadiovana faobe ny Tanàna sy fanadiovana ny morondriaka ho an’ny tao Fenoarivo Atsinanana no nanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo 2026, tany Vavatenina. Fotoana ihany koa nanamafisan’ireo tanora ny fanentanana ho an’ny rehetra mba hanatevin-daharana ny asa firotsahana an-tsitrapo sy ny tombotsoa aterany ho an’ny Ta­nindrazana, tamin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona.

Partager sur: