Hotanterahina ny 18, 19 ary 20 novambra izao ny hetsika ara-kolontsaina « Milag-nona 2026 », hatao any amin’ ny faritra Alaotra Mangoro. Kolontsaina, fizahantany ary fampandrosoana no havoitra amin’ity hetsika ity. Maro ireo fandaharam-potoana hanamarihana izany. Fanandratana ny taninketsa Betatoato, fanofanana, teatira maoderina, antsan-tononkalo ary slam no hitranga ny andro voalohany, ny 18 novambra. Fitsidihana toera-manantantara ao Andriamamovoka sy Amparafaravola ary Ambohibary kosa ny fandaharam-potoana ny andro faharoa, ny 19 novambra. Ny zoma 20 novambra kosa no hanatanterahana ny fitokanana ny Rova Mahazina sy toeram-pianarana any an-toerana. Hisy ihany koa ny fahan-jaza folo, fomban-drazana Bezanozano sy Betsimisaraka izay hatao ao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy kolontsaina ao Ambohibary.
Hampiavaka ny fankalazana ny fampisehoana hiarahana amin’i Njakatiana, ny alin’
ny zoma 20 novambra, ao amin’ny Bezanozano Hotel. Sady hamaranana ny “Milagnona 2026” ity seho ity ary hisy ny fampisehoana an-tsary ny toerana Andriamamovoka sy Amparafaravola. Mialoha izany, hisy ny takarivan’ny kolontsaina sy fizahantany, hampisehoana fitafy sy taovolo Betsimisaraka sy Bezanozano.
Ny faritra Alaotra Mangoro, ny delegasion’ny Serasera sy ny kolontsaina Moramanga, ny fikambanana Fagnasin’ ny tany ary ny Ofisim-paritry ny fizahantany Alaotra Mangoro no miara-misalahy amin’ ny fikarakarana ity hetsika ity.
Mi.Raz





