Fiatrehana ny fotoam-pahavaratra : Efa vonona ny tahirin-tsakafo sy ny fitaovana ao amin’ny BNGRC

Araka ny fampahanfatarana nataon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, ny fiandohan’ny volana teo, tombanana hizara roa ny fisehon’ny El nino eto amintsika. Hahazo vahana ny hamandoana any avaratra raha ho mafy kosa ny haintany any atsimo.

“Tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny mponina ho an’ny faritra avaratra ilay tangoron-drahona niforona ny herinandro lasa teo izay niteraka fikorontanana tamin’ny toetry ny andro ka nitondra orana”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andraina­rivo. Efa niatrana mialoha tany an-toerana rahateo ny ekipan’ny BNGRC.
Momba ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra 2026-2027 sy ny El nino, efa nankatoavin’ny fitondram-panjakana ny drafitrasa fiomanana. Notombana­na ny filan’ny minisitera tsirairay, efa nalefa any amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny toekarena. Mifan­toka amin’ny fiantraikan’ny loza ny asa ka efa tafapetraka amin’ny toerana tombanana hisy fiantraikany ny sakafo sy ny fitaovana rehetra hamonjena rehefa midona ny loza. Nalefa any avaratra ny lakana avy amin’ny Fid satria vinavinaina ho betsaka ny rotsakorana ka ahina ny tondradrano. Any atsimo, efa vonona ny sakafo milanja 2 000 t hiatrehana ny haintany hamaliana ny tsy fahampian’ny antoka ara-tsakafo. Manana tahirin-tsakafo 130 t koa i Sava sy i Diana ho an’ny traboina sy ny olona nafindra toerana rehefa mitranga ny filana.
Zava-dehibe ny asa antsoroka mialoha, araka ny traikefa azo tao anatin’ny 10 taona nampiharana azy teto Mada­gasikara. Amin’izao fotoana, mivory ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza manavao ny drafitrasa nasionaly. Hidina any amin’ny faritra izy ireo manomboka amin’ny herinandro ho avy, hanavao ny drafitrasan’ny prefektiora momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka ny prefet no hitarika ny dinika.

Vonjy

Partager sur: