Nanatanteraka fitsidihana sy fihaonana arakasa tany amin’ny Oniversiten’i Strasbourg (Frantsa), ny herinandro lasa teo, ny delegasiona malagasy. Nahitana ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ratsimbasoa Claude Arsène, sy ny talen’ny ivontoerana nasionaly momba ny fampahalalana sy ny antontan-kevitra ara-tsiansa sy ara-teknika, Rajaonarison Marcella Julie izany. Tafiditra anatin’ny fampiharana ny toromarika napetraky ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, izay mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fikarohana sy ny vokatr’izany eto Madagasikara, ny fitsidihana.
Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpitantana sy ny ekipa teknikan’ny oniversiten’i Strasbourg nandritra izany. Nifantoka tamin’ny sehatra telo lehibe dia ny fanatsarana ny fampiofanana eny amin’ny sekoly doktoraly, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo oniversite ar ny fanatsarana ny fahazoana loharanom-baovao sy tahirin-kevitra ara-tsiansa, izany. Nodinihina ihany koa ny fomba fanaraha-maso ireo mpianatra eny amin’ny sekoly doktoraly, ny fisorohana ny fakana tahaka ary ny fampiroboroboana ny siansa misokatra.
Vonjy





