Tsy tokony hatao toeram-pandraisana maharitra ireo traboina ny sekoly rehefa tonga ny voina, hisorohana ny fahatapahan’ny fampianarana. Efa voafaritra ao anatin’ny drafitrasan’ny prefektiora momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, mantsy, ny fotodrafitrasa rehetra afaka mandray traboina sy ny anjara andraikitry ny tsirairay mandritra ny fiomanana sy ny fiatrehana ny loza.
Nofoanana ny fepetra momba ny fametrahana anaty fitokana-monina mandritra ny 40 andro ireo olona avy any Kenya sy Nizeria. Antony, efa voafehy tanteraka ny valanaretina Ebola any amin’ireo firenena roa ireo. Mbola mitoetra sy manan-kery kosa ny fepetra rehetra voarakitra ao amin’ny naoty 569, mahakasika an’ny Repoblika Demokratikan’ny Congo (RDC). Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fandraisana fepetra eny anivon’ny toeram-pidirana rehetra toy ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara.
Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena momba ny fanavaozana ny sehatry ny fanabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny 30 novambra sy 1 desambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny rafi-panabeazana sy ny kalitaon’ny fampianarana ity hetsika ity. Tanjona ny handraisana ny hevitra sy ny sosokevitry ny mpisehatra rehetra mba hametrahana vina iraisana ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara.





