Notanterahina omaly, tetsy amin’ny farihin’Anosy, ny fahatsiarovana ny faha-108 taonan’ny nitsaharan’ny Ady lehibe voalohany sy ireo Malagasy lavo tamin’izany. Nisy ny hafatra nampitain’ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Grosgurin, tamin’izany.
“Andronareo tanora izao ka aoka tsy hamerina ny hadisoan’ny teo aloha. Miaraha manorina ny hoavy tsaratsara kokoa sy mendrika anaty filaminana. Ry tanora, anareo izao ny sehatra”, hoy izy. Anisan’ny niatrika izao fotoam-pahatsiarovana izao rahateo ireo mpianatry ny Lycée Française sy ny Collège de France ary ny avy ao amin’ ny Lycée Rabearivelo. Nanteriny fa fanamby lehibe no miandry ny tanora amin’izao fotoana izao manoloana ireo ambana samihafa eo amin’ny sehatra rehetra. Notsiahivin’ny ambasadaoro fa miisa 2 500 ireo malagasy lavo tamin’ny ady lehibe voalohany. Teo koa ireo enina hafa lavo tamin’ity taona ity. Samy notsarovana avokoa izany tamin’ny omaly io, noho izy ireo niady ho an’ny fahafahana sy ny filaminana. Nanambara kosa ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, fa nanana herim-po sy ny faharisihana ireo Malagasy niady nandritra izany ady lehibe izany. “Anisan’izany ny 12ème Bataillon de tirailleurs. Nisongadina tamin’ny ady nataony tany Frantsa manoloana ny fahavalo”, hoy ihany izy. Notsindriny koa ny maha zava-dehibe ny fampitana ny tantara amin’ireo taranaka aty aoriana amin’ny alalan’ireo hetsika maro samihafa ataon’ny Ofisy nasionaly malagasy misahana ny mpiady tranainy sy ny bekotro maroholatra amin’ny alalan’ny varavarana misokatra amin’ireo sekoly maro eto an-toerana.
Tsiahivina fa nanome voninahitra izao fotoam-pahatsiarovana izao ny lehiben’ny mariboninahi-pirenena, Ranjeva Marcel sy ireo minisitra eo anivon’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Teo koa ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tarika na an-tanety na an-dranomasina na ana habakabaka. Teny an-toerana ireo mpiady tranainy akanga sisa nanamborana sy ny fianakavian’izy ireo.
Synese R.





