Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina: Hizara traikefa ho an’ireo mpitsara ny FBI

Naharitra andro maromaro ny fitsidihan’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo ny tany Etazonia, tamin’ny ity herinandro ity. Nisy ny fihaonany tamin’ireo tomponandraikitra ara-pitsarana amerikanina tamin’izany.
Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sampam-pitsikilovana amerikanina « Fe­deral Bureau of Investiga­tion  FBI » eo anivon’ny « De­part­ment of Justice », ny minisitra tamin’izao diany izao. Voaresaka ny fiaraha-miasa momba ny « Raharaha Boeing 777 » tany Iran sy ny ady amin’­ny fisolokiana an-tserasera « Scamming ». Nifanara­hana ny fifanampiana sy ny fifanakalozana traikefa amin’ireo raharaham-pitsarana iarahan’ny roa tonta. « Vonona izahay hampiofana sy hanatsara ny fahaiza-manao amin’ ny fanadihadiana sy ny ady amin’ny heloka bevava miampita sisin-tany. Hanomboka tsy ho ela koa ny fizarana traikefa ho an’ireo mpitsara sy mpanao famotorana malagasy », hoy ny avy amin’ny FBI.
Anisan’ny nihaona tamin’ny minisitra ny departemantan’ny Fitsarana amerikanina, notarihin’i Brian Skaret, tao Washington. Voaresaka ny fanafainganana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana, indrindra ny fifanakalozana ara-pitsarana haingana sy ny fanamorana ny fomba famindrana azy ireny. Nohamafisin’ity tomponandraikitra ity ny fanohanany ny fitsarana malagasy sy ny fahafaham-pony tamin’ny fiaraha-miasa nahitam-bokatra tamin’ny FBI. Nodinihina koa ny raharaha famindrana olona miisa enina tadiavin’ny fanjakana Amerikanina. « Efa voaheloka sy manefa sazy any Madagasikara izy ireo. Ani­san’izany ilay teratany maleziana sy ireo teratany afrikanina », hoy ny valin-tenin’ny minisitra.
Nihaona tamin’ny Tonia mpampanoa lalàna federalin’i Etazonia, Jeanine Ferris Pirro koa ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. Niompana amin’ny ady amin’ny heloka bevava an-tserasera, ny fisolokiana amin’ny alalan’ny internet ary ny famotsiam-bola ny dinika.

Synèse R.

Partager sur: