FANTINA sy FINTINA

Natsahatra tamin’ny asany ny tale jeneralin’ny ORTM, Lemana Elisée, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny disadisa nisy teo aminy sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa momba ny tranoben’ny Havoria.

Tsy tokony ho maika amin’ny fifidianana filoham-pirenena isika, araka ny fanehoan-kevitry ny pasitera Mailhol, teny Ivato, afakomaly. « Aleo hapetraka tsara daholo ny zavatra rehetra mba tsy hiverenan’ny krizy », hoy izy. Nanteriny fa tokony ho ny fifidianana lalàmpanorenana no hatao amin’ny herintaona.

Mitaky ny hanatanterahina ny fifidianana ny filoham-pokontany ny Mouvement Gasikara, raha ny hevitr’izy ireo teny Ivato. « Tokony hatao mialoha ny fifidianana rehetra izany mba tena hipetrahan’ny fifampitokisana eo amin’ny fitantanana ny firenena. Aleo hiainga any ifotony ny fifidianana », hoy izy ireo.

Nitondra ny heviny koa ny mpanakanto Mamy Gotso momba ny fifidianana. Nambarany fa efa io ihany ny lisi-pifidianana hatramin’izay. « Aleo havaozina daholo ny zavatra rehetra. Maro ny olona tokony mbola ho tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana, ary eo koa ny fisian’ny mpifidy misoratra amin’ny fokontany maro ka tokony jerena izany », hoy izy.

Partager sur: