INDRAY MIJERY

Nampivondrona ireo talem-paritry ny mponina sy ny firaisankina manerana ny Nosy ary ireo teknisianina ny minisitera. Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary handrindrana ny fomba fiasa amin’ireo tokantrano marefo. Niompana tamin’ny tetikasa Hara­tonaina sy zara Mira ary ny fametrahana ny birao nasionalin’ny rejisra sosialy tokana (RSU) ny atrikasa.

Mitohy ny asa fanarenana ny Farihin’i Beho­ririka, izay tanterahan’ny ekipan’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Napetraka ny fefy manodidina ny farihy ho fiarovana mandritra ny fanatanterahana ny asa, ary napetraka ihany koa ireo jiro hanatsarana ny fahazavana eny an-toerana.
Ampahatsiahivina sy entanina ny rehetra mba hiaro ireo fotodrafitrasa iombonana.
‎
Nanazava ny mpamonjy voina ho an’ireo mpivaro-kazo sy tsena mora mirehitra mba hivonona
amin’ny extincteur na koa tapa-bariaka feno fasika hahafahana mamono haingana ny afo, tsy hampiitatra azy amin’ny toeran-kafa ho fiarovana ny aina sy ny fananana.

Partager sur: