Handrafitra ny ekipan’ny Decines, amin’ny Trophée des villes taranja tsipy kanetibe i Yves Sedrick sy i Tianakely. Hiaraka aminy, i Clement Duvernet sy i Jason Giraud, sokajy (junior). Fihaonana hotanterahina any ST Etienne ny 21 ka hatramin’ny 24 janoary 2027.
Hotanterahina ny zoma 20 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fivoriambe fifidianana izay ho filohan’ny filankevitry ny mpanazatra basikety eo anivon’ny ligin’Analamanga. Kandidà roa no hifaninana amin’izany dia i Mick Eddy Herinirina Malalaniaina sy Raminoarison Charles Christiano.
Hifampitana etsy amin’ny kianja Makis Andohapaneka, ny alahady ho avy izao, ny USA Ankadifotsy sy ny RCSA Anosibe, izay vao niakatra “Top 12”. Lalao andrasan’ny rehetra tokoa satria ao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana ny roa tonta ary mitsapa ireo mpilalao ao aminy.





