Fikaonandoham-pirenena : Mampikatso ny asa ny momba ny famoaham-bola

Tsy ny vola no tsy misy eo am-pelatanana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny FFKM, omaly. Sakana goavana mampihitsoka ny fikaonandoham-pirenena ny pitsopitsony amin’ny famoahana ny vola.

Nanatanteraka fivorina maika teny amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, omaly, ny tomponandraikitra rehetra voakasiky ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Mi­chaël. Nanatrika ny fifanakalozan-kevitra ny Praiminisitra, ny minisitera misahana ny Fanavaozana ary ny Komity teknika momba ny fikaonandoham-pirenena (CTCN). Niompana tamin’ny antony mahatara ny firosoana amin’ izany ny dinika. Fikarakarana izay nankinin’ny filoha tamin’ ny FFKM. Noresahina ny fizotran’ny fanomanana sy ny fanatanterahana azy, mba hahitana vahaolana amin’ireo sakana misy.
Nambaran’ny FFKM fa efa misy ny vola voaomana ha­nao­vana ny asa sy ny fandaminana rehetra. Misy anefa ny olana teknika sy ny fitantanana manakana ny famoahana izany. Ny 8,33%-n’ny tetibola ihany no efa nivoaka. Misy ny dingana tokony hohafainganina mba hahafahana miroso amin’ny asa.

Tsy sakana
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra, nanamafy ny fi­lohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, fa tsy tokony ho sakana ny resaka vola. Efa vonona ny tetibola natokana ho amin’izany, araka ny nambarany. No­tsindriany fa ilaina ny famahana haingana ny olana. «Efa nanome toky azy ireo aho fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ao anatin’ny roa taona araka ny tetikasa efa nomena. Tsy avelako hitarazoka ny fikarakarana ny Fi­kaonandoham-pirenena. Izaho dia manamboninahitra ambony nivoaka tao amin’ny Akade­mia Miaramila. Olona mitazona ny teny nomena aho fa tsy mivadibadika. Mila vahana ny olana tsy hampandroso», hoy hatrany ny filohan’ny Fana­vao­zana.
Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana, izay nifarana tamin’ny fifampitadiavana vahaolana mahomby mahakasika ny olana.

Samy naneho ny fahavononany ny tomponandraikitra mba hanafaingana ny dingana rehetra. Sasa-miandry ny vahoaka !

Randria

Partager sur: