Vita ny lalana : Atao adiny iray ny Toamasina-Foulpointe

Tapitra ny nofy ratsy ! Am-polon-taonany maro nifanesy no tsy nety vita manontolo ny lalana mampitohy an’i Toamasina hatrany Foulpointe (RN5). Atao mandritra ny adiny 3 ity lalana mirefy 49 km monja ity. Madiva ho vita tanteraka izy, ankehitriny, ka efa atao ao anatin’ny adiny iray sisa amin’izao fotoana izao. Voarakotra godirao ary natao « béton » tena manara-penitra ny ampahany maro, mba tsy ho mora simba, satria mando lava ity tapany avaratr’i Toamasina iny.
Efa mandeha ny fikojakojana mitohy, ankehitriny, mba hitazonana ny lalana ho tsara mandavan-taona sady maharitra, fa tsy toy ny hatramin’izay. Ao anatin’izany, ny fametrahana sosona godirao, ny fanamboarana ireo lavadavaka, ny fanadiovana sy ny fanarenana ny tatatra ary ny fanamafisana ny tatatra. Eo koa, ny fanavaozana ny marika amin’ny arabe sy ny fametrahana takelaka famantarana samihafa eny amin’ny sisin-dalana. Ao anatin’ny tetikasa PDDR, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola ity asa ity. Mitohy kosa ny fanarenana ny eo Foulpointe mankany Fenoarivo Atsinanana hatrany Soanierana Ivongo.

Njaka A.

Partager sur: