Ankarafantsika : Nisitraka fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Miisa 6 ny kaominina manodidina ny Faritra Aro­vana Ankarafantsika, distrika Marovoay sy Ambato Boeny. Anisan’ny manohana ny fiarovana azy ny fandaharanasa PADDI+, vatsian’ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny BMZ Alemana ara-bola. Fiaraha-miasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd).
Tafiditra ao anatin’izany ny fampifandraisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Tan­jona ny hitsinjovana ny velon-tenan’ny tantsaha, hanatsarany ny fidiram-bolany. Araka ireo, novatsiana fitaovam-pamokarana (angadinomby, sarkilezy, fiavana…) sy ma­somboly voafantina ny tantsaha monina manodidina ny Faritra Arovana.
Nisitraka izany ny kaominina Ankijabe, Marosakoa, An­ka­zomborona, Ambondro­ma­my, Tsaramandroso ary An­dra­nofasika.

Nahaverina ny masomboly
Mampiavaka manokana ity fanohanana ity ny rafitra fifampizarana ny masomboly. An­tony, ahafahan’ny tsantsaha nahazo tohana, ka mamerina amin’ny ampahany ny vokatra azony ho zaraina amin’ny tantsaha hafa ihany koa. Misy tamin’izy ireo nahavita namerina masomboly mihoatra noho izay nomena azy tamin’ny taom-pambolena teo aloha.
Tanjona amin’ity tetikasa ity ny fametrahana famokarana maharitra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Ary indrindra, hampihena ny tsindry mianjady amin’ny ala sy ny harena voajanahary any Ankarafantsika.

Njaka A.

 

Partager sur: