INDRAY MIJERY

Hotanterahina ny 26 sy 27 novambra ao amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fihaonana hampiroboroboana ny
fampananana asa mitondra ny lohahevitra Forum de l’insertion technique et Professionnelle. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisiteran’ny asa, ny fampana­nana asa ary ny asam-panjakana ny hetsika.

Ho tapaka ny lalana anio, manoloana ny FJKM Ziona Famonjena, manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Noho ny hetsika fankalazana ny faha-70 taonan’ny fiangonana FJKM Ziona Famonjena Anosibe no anton’izany. Efa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny prefektora ny hetsika.

Ao anatin’ny elo andro hoavy, hitohy ny orambaratra ho an’ny afovoany atsinanana, avaratra andrefana, afovoan-tany, ny ilany atsimo atsinanana. Somary hanatombo kokoa izany amin’ny sabotsy ho an’ny
afovoan-tany. Ho maina kosa ny andro manomboka ny alahady ho avy izao saika manerana ny Nosy.

Partager sur: