MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-bAHOAKA : Nohamafisina ny fiarahana miombon’antoka

Nifantoka tamin’ny fifampizarana ny toe-draharaha ara-pahasalamana eo amin’ny hamehana sy fisorohana ary ny olana sedraina ny diniky ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miasa ara-bola sy teknika, tamin’ity herinandro ity.
Tanjona ny ahafahana mandrindra tsara kokoa ireo fandaharan’asa sy ny fanohanana ara-bola amin’ireo laharam-pahamehana nasionaly.
Hanamafisina ny fiaraha-miasa ary hampifamenoana ny ezaka sy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay. Notsin­driana manokana ny Drafitra fampandrosoana ny sehatry ny fahasalamana 2026–2030 (PDSS), izay antontan-kevitra fototra hitarihana ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.
Nisongadina tamin’ny fi­fampiresahana sy fifanakalozan-kevitra ny fahavononan’ ireo mpiara-miombon’antoka ny amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fitondram-panjakana, ho fanatanterahana ireo vinam-panavaozana eo amin’ ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fa­narahan’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ny laharam-pahamehan’ny firenena, fa­natsarana ny fandrindrana sy ny fitantanana isan’ambaratongan’ny rafitra ara-pahasalamana. Famaritana ihany
koa ny laharam-pahamehana ma­naraka ireo zava-misy any ifotony ary mifanaraka tsara amin’izay ny fampiasam-bola. Zava-dehibe ny tamberin’andraikitra sy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny asa mba hipaka tanteraka amin’ny vahoaka izany rehetra izany.

Tatiana A

Partager sur: