“Tsy afa-manao fifidianana isika, raha tsy voafidy ny lalàmpanorenan’ny Repoblika V”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Lasa nampisy adihevitra politika talohaloha teo ny amin’ny fiatrehana fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana sy ny fifidianana. Tsy hita be ihany… Ao anatin’izay fifidianana lalàmpanorenana izay no hahafantarana hoe: inona avokoa ireo rafitra hisy eto Madagasikara. Ny fanirian’ny RPSD, manomboka any amin’ny fokontany ny fifidianana. Amin’izao, tsy mbola azo tanterahina izay. Satria tsy mbola ao anatin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny fokontany. Amin’ny manaraka, hampidirina ao anatin’izay ny fokontany. Koa hatomboka any amin’ ny fokontany ny fifidianana, miakatra hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika.
Momba ny ataon’ny Ceni, iombonan’ny antoko hevitra fa tsy ampy… Lasa miahiahy, ohatra, ny antoko eny ifotony raha mbola ny Ceni amin’izao no hikarakara fifidianana. Amin’ny Repoblika V, mila jerena ifotony ny Ceni. Ny amin’ny fikarakarana fifidianana, ao koa ny minisiteran’ny Atitany. Tokony hiara-misalahy ny Ceni sy ny minisiteran’ny Atitany, raha haka ny feon’ ny mpanao politika momba ny fifidianana. Toy izany koa ny minisiteran’ny Fitsarana, ohatra. “Misy mpitsara sasantsasany manodinkodina voka-pifidianana”, hoy izy.
R. Nd.





