FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny filohan’ny Vao­mieran’ny Raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimi­erampirenena frantsay, Bruno Fuchs, notronin’ny ambasadaoro frantsay eto Madagasikara, teny Iavoloha, afakomaly. Nifantohan’ny dinika ny fanamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Eo koa ny fitadiavam-bahaolana ny filan’ny vahoaka malagasy.

Nandray fanapahan-kevitra ny hanalava ny fe-potoan’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Ceni, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Ceni, Alarobia, omaly. Nahemotra ho hatramin’ny 10 janoary 2027 izany, raha tokony hifarana anio 21 novambra. Efa natomboka tamin’ny 28 jolay izay fisoratana anarana anatin’ny lisi-pifidianana vaovao izay.

Tokony hiantoka ny ara-moraly ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, fa ny minisiteran’ny Fana­vaozana no tokony hanatanteraka izany, hoy ny filohan’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), Rabetsitonta Tovonanahary. Tokony hampiarahana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny lalàmpanorenena sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika mba hivoahana haingana amin’ny krizy politika ankehitriny.

Nihaona tamin’ny depiote teny Tsimbazaza, afakomaly, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely. Nambarany fa tsy ampy ny teti-bola ho an’ny Tafika. Lany amin’ny fampidihonan-draharaha sy ny karama izany. Koa hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera. Anisan’ny nangatahin’ireo depiote kosa, ohatra, ny fampitaovana moto sy fiara ireo miaramila miasa any ambanivohitra.

Partager sur: