Vanim-potoana ankehitriny. Toa tsy hain’ny Malagasy ny miaina ao anatiny. Ny efa lasa na ny taloha, vao mainka ihany koa. Azo antoka, hanaraka ireo dian’ny hoavy atsy ho atsy.
Anisan’ny mampiavaka ny an’i Italie amin’ny firenen-kafa ny fanomezan-danja ny zava-nisy fahiny ho fantatry ny ankehitriny. Ny sampanan-dalana sy ireo toerana malalaka rehetra, saika ahitana takelaka mampahafantatra ny tantaran’ilay tanàna, ny olona nahavita be tao, ny fomba amam-panao hajaina ao, sns.
Toa mifanohitra amin’izay ny eto Madagasikara. Na ireo tantara efa fantatra aza, novaina, havilana, disoina… Navadika sy nadika any amin’ny tombontsoan’ny tena hoenti-manova ny tena zava-misy marina, sns. Very an-dalana sy atao ankilabao ny hasin’ny fahiny. Haratsiana sy ambara fa tsy mety sy tsy mifanaraka amin’izao vanim-potoana izao intsony. Nanjary lany andro ny fahendrena fonosin’ny soatoavina.
Raha io tranga io. Tsy ny vahiny ihany no milofo fatratra hanimba sy hamotika ny hasin’ny fahiny eto Madagasikara fa ny Malagasy ihany koa. Tsy vitsy, ohatra, ireo sahy sy mihevitra fa tsy ilain’ny Malagasy intsony ny manadihady sy mamakafaka ny fototra nipoirana raha hiroso amin’ny fanakambanana olon-droa anaty tokantrano iray. Misy manova na mamadi-dresaka milaza fa maneho fanavakavahana ny fanaovana izany. Ny fahendrena sy ny soatoavina Malagasy, anefa, mametraka hatrany fa tsy tsara ny miantsampy amin’ny hazo tsy fantatra. Izany hoe, ho fitsinjovana ny hoavin’ny taranany no nanaovany ny fanadihadiana.
… Ny fototry ny hasin’ny fahiny no mila haverina sy hampahafantarina ny Malagasy indray. Anisan’ireny ny fahendrena sy ny soatoavina izay mety ho samihafa arakaraka ny toerana na ny faritra na ny tantara, sns. Iainana ao anatin’ny fifanajana izy ireny.
HaRy Razafinddrakoto





