Elysé Mage 4: Lasa mpampianatra any amin’ny oniversiten’i Toliara

Mpitendry vata maroafitsoka, mpamoron-kira ary iray amin’ireo nanangana ny tarika Mage 4 izy. Vaovao lehibe kosa, araka ny nambaran’i Tsimihole, fa lasa mpampianatra raikitra ao amin’ny Oniversiten’i Toliara ity mpanakanto ity. « Maître de conférences ao «amin’ny sampam-piofanana « paléontologie » i Elysé Hugo Razanajaonarivalona. Nampiara-dalana ny fianarana sy ny fikarohana andaniny, sy ny mozika ankilany i Elysé hatramin’izay. Anisan’ireo fitaratra ho an’ireo tanora, indrindra ireo te hampivady ny fianarana sy ny mozika ity mpanakanto ity. « Tongasoa ianao zandry. Faly izaho. Samy nianatra tany Japon izahay », hoy i Tsimiholy. Mpanakanto roa izy ireo, araka izany, no mpampianatra ao.

Zo ny Aina

Partager sur: