Fifaninanana asa soratra : Fantatra ireo nahazo ny loka Siméon Rajaona

Amboaran-tononkalo, sombin-tantara, tantara foronina ary tantara nadika. Ireo no sokajy nifaninanana, ho fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Profesora Siméon Rajaona. Notontosaina omaly, teny amin’ny Amphi 24, tao amin’ny Sampana teny sy siansan’ny maha olona eny Ankatso, ny lanonana nampahafantarana ireo nandresy isan-tsokajy.
Teo amin’ny sokajy tantara foronina, nahazo ny voalohany i Zo Sitrakiniavo, tamin’ilay asa sorany « Faraingoso­so­na ». Laharana faha­roa kosa, Ranarivelo Roël, tamin’ny « Kodiaran-tsarety ». Laharana fahatelo ny « Oroka farany » an’i Rija al-Jonah.
Teo amin’ny sokajy  sombintantara, voalohany Andriamahefa Michel. Faharoa kosa Eric Ravalisoa ary fahatelo i Rian’Antsa.
Teo amin’ny sokajy tononkalo indray, ny « Mangiran-dratsy » an’i Mahefalison no voalohany. Faharoa kosa ny « Aingam-bolana » an-dRafa­lin­dranto Ramy. Fahatelo ny « Fanilom-pivoarana » an’i Riadiana.
Nomena fankasitrahana manokana i Andi Nova teo amin’ny sokajy fandikan-teny, tamin’ilay sanganasa « Maningana », nadika tamin’ny « L’etranger » an’i Albert Camus.
« Nisokatra tamin’ny daholobe ny fifaninanana, izay efa nampahafantarina tamin’ny fabombanana ny fankalazana. 30 ny tononkalo voaray, 9 sombin-tantara, 6 tantara foronina ary 6 ihany koa ny tantara nadika. Tsy nahafantatra mialoha ireo mpanoratra izahay, fa nitsara araka ny ma­sontsivana napetraka », hoy ny solontenan’ny mpitsara ny fifaninanana, nandritra ny fampahafantarana, omaly. Mbola misy tohiny ny fankalazana raha ny nambaran’ny komity mpikarakara
Tsiahivina fa i Siméon Rajaona no malagasy voalohany Sojaben’ny oniversite (Doyen). Nampianatra sy nanitsy ny fitsipiky ny teny malagasy, teo koa ny fikarohana nataony momba ny literatiora ary nanoratra boky marobe.

Zo ny Aina

Partager sur: