HVM: “Tsy ekana ny dinika politika fitadiavan-tseza”

“Tsy manana olana amin’izany izahay. Fa tsy ekenay fotsiny ny hoe: ny dinika politika hanao vahaolana politika amin’ny fandrafetana tondrozotra. Dia miara-mitantana… Tsy eken’ny olona intsony izany. Voasazy eto isika raha izany no atao “.

Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fitakian’ny antoko politika etsy sy eroa ny tokony hisian’ny dinika politika mialoha ny fikaonandoham-pirenena. Mety nandeha izay fifanarahana politika izay teo aloha. Nande­ha taiza moa? Ary nankaiza ny firenentsika tamin’ny nisian’izany? Izany tsy milaza hoe tsy hifampiresaka sy tsy hanome hevitra ny antoko politika. Tsy izany akory no dikan’izay. Tamin’ny 1991, natao izay dinika politika sy fifanarahana politika izay, dia hatao koa izany amin’izao. Tsia, mba misy lalana hafa. Tsy mety kosa ny hoe: mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanao politika. Nefa mba manana ny heviny koa, ohatra, ny tanora… Anisan’ny jeren’ny HVM hoe: ahoana ny fikaonandoha nasionalin’ny tanora?
Ny dinika politika no anambanian’ny olona ny mpanao politika hoe mitady seza fotsiny. Zavatra hafa izay. Ho azy, ilaina ny dinika politika. Raha miresaka momba ny lalàmpanorenana, ohatra: politika izay. Anisan’ny manan-kevitra amin’izany ny mpanao politika. Tsy maninona izany raha tsy itovian-kevitra, fa ahoana ny fomba hanatanterahana azy? Mila fifampiresahana amim-pitoniana izany, satria handresy lahatra vahoaka sy hanazava amin’ny vahoaka. Iza àry no hanao an’izay? Anisan’ny asa lehibe ho an’ny mpanao politika izay. Misy mpanao politika milaza ny dinika politika amin’izay mba hisy CT sy CST indray. Izay no lavin’ny olona. Ilaina ny hevitry ny mpanao politika, fa ny mpanao politika ilainay no hitondra ny firenena rahampitso.

R. Nd.

Partager sur: