Ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny isam-bato 112; ny filoha lefitra misahana ny faritanin’Antsiranana, i Ibrahim Issa Charles, tamin’ny vato 117; ny filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Mahajanga, i Afakandro Christian, tamin’ny vato 119; ny kestora fahatelo, i Mamihaja Charlot, tamin’ny vato 117. Ireo no nesorin’ireo depiote amin’ny toerany tamin’ny latsabato teny Tsimbazaza, omaly maraimbe, tamin’ny fivoriana itambarambe notarihin’ny filoha lefitra, faritanin’i Toliara, i Tsaradia Marco. Ankoatra ny lehiben’ny mpanohitra, azo esorina amin’ny asany amin’ny maha mpikamban’ny birao maharitra, noho ny antony lehibe, amin’ny alalan’ny latsabato ataon’ny roa ampahatelon’ny depiote ireo mpikamban’ny birao maharitra, araka ny And. 16 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena.
Araka ny fanazavan’ny mpitarika ny fivoriana, tsy fahavitana antsakany sy andavany ny asan’izy ireo sy ny tsy fanarahan-dalàna, indrindra ny fitsipika anatiny, no antony fototra nanalana azy ireo. Na izany aza, nahazo fitenenana niarovany tena izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Randrianasoloniaiko Siteny, ohatra, fa anisan’ny niady ny fiarovana io andrimpanjakana io ny tenany, fa antony politika no nanalana azy. Manoloana izany, nanazava, ohatra, ny depiote mpikamban’ny Vovonan’ny Fihavaozan’i Madagasikara (VFM), Rakotoniana Pety, teny Tsimbazaza, omaly, fa tsy tokony hifanipaka amin’ny firosoana amin’ny fanavaozana sy ny fanovana ny Antenimierampirenena sy ny eny amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ary ny governemanta. Tsy misy ny tsindry ny fanapahan-kevitr’ireo depiote. Ny firosoana amin’ny fanavaozana na fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa no zava-dehibe…
R. Nd.





