Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Toamasina, ny alatsinainy 23 novambra teo, ny lanonam-panjakana notarihin-dRamatoa mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Herinaivo, notronin’ireo manam-pahefana isan-tokony ao Toamasina. Tafapetraka eo anivon’ny rafi-pitsarana misy rehetra eto Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana ny rindrambaiko telo samihafa afaka mifehy ny raharaham-pitsarana. Eo ny Logicivil, misahana ny raharaha ady madio rehetra. Faharoa ny CasJud, mombamomba ny fakana Casier judiciaire. Ho an’ity farany dia hamahana ny olan’ny Malagasy miasa amin’ny faritra lavitry ny toerana nahaterahany ka mila mandeha amin’ny faritra niaviany raha haka taratasy firaiketana heloka. Ny fahatelo dia ny Igap sy E- Taraina, izay angom-baovao momba ny fitarainana ataon’ny olona manan-draharaha amin’ny fitsarana sy voafonja. Nambaran’ny minisitra fa ilaina fatratra ireto rindrambaiko ireto mba ho fiarovana ny antontan-taratasin’ady ary mampihena ny fampiasana taratasy, miady amin’ny kolikoly sy manafaingana ny raharaham-pitsarana sy mampihena ny fivezivezena amin’ny fitsarana. Nohamafisiny hatrany fa izao no tontosa dia noho ny fanohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (UNDP) sy ny Sampandraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). « Ny fidirana amin’ny Logiciel tout à digital na niomerika manontolo dia midika ho fidirana amin’ny fanatontoloana sy fanehoana ny fangaraharana amin’ny raharaham-pitsarana », hoy hatrany ny minisitry ny Fitsarana.
Sajo





