Fanavaon-tsonia fifanarahana ho fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Djibouti sy i Madagasikara no nanamarika ny fihaonan’ny filoha djibosianina, i Ismaïl Omar Guelleh, sy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Djibouti Renivohitra, afakomaly, tao anatin’ ny fitsidihana ofisialy notarihin’ity farany. Eo ny fanafoanana ny “visa” ho an’ireo mampiasa pasipaoro diplaomatika sy pasipaoro manokana ho an’ny asa. Eo koa ny fifanarahana lasitra ho an’ny fiaraha-miasa ankapobeny sy ny fametrahana rafitra fifampidinihana eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny fifanaovan-tsonia fifankahazoana na taratasy fanamorana ny fakan-kevitra eo amin’i Djibouti sy i Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana fa manamafy ny finiavan’ny firenena roa tonta hanatsara ny fiaraha-miasan’ny firenena samy tatsimo ny fanasan’ny filoha djibosianina azy amin’ny fitsidihana.
Ankoatra izany, nisy ny fihaonan’ny delegasiona tamin’ ireo diaspora malagasy any an-toerana. Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, fa efa an-dalana ny fanendrena konsila malagasy any an-toerana, hamahana ireo olana momba ny pasipaoro sy ny “visa”. Niantso ireo diaspora hitondra ny anjara birikiny sy ny traikefany ho fampandrosoana an’i Madagasikara kosa ny filohan’ny Fanavaozana. Ampirisihiny koa izy ireo hampiasa vola aty an-tanindrazana. Ezahina ny famerenana tsikelikely ny fifampitokisana. Hisy ny tetikasa fitaratra hananganana trano “préfabriqué” eny am-balam-bahoaka. Antananarivo no hanombohana izany, ary hitarina tsikelikely any amin’ny Faritra. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana Fanavaozana ny ady amin’ny fifehezan’olon-tokana na orinasa tokana ny seha-pihariana isan-karazany aty Madagasikara.
R. Nd.





