Notokanana tao amin’ny Fonjaben’Ambalatavoahangy, Toamasina, afakomaly, ny rindrambaiko Informatisation des greffes de l’administration pénitentiaire (IGAP). Hanavaozana sy hanatsarana ny fitantanan-draharaham-pitsarana ary ny fikirakirana sy fandraketana ireo antontan-taratasy fitantanana ny fonja izany. Nisy koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao sy izay simban’ny rivodoza Gezani.
Nanomboka tao Nosy Be, omaly, ny fivoriana fahenin’ny komity miady amin’ny famotsiam-bola eo anivon’ny Sadc, mandritra ny hateloana. Misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana ny komity. Nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana fa ny 0,3% ny fandaniam-bolam-panjakana 2027, 13 tapitrisa dolara, no hanohanana ny ady amin’ny “crime organisé”. Ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny zava-mahadomelina ary ny famotsiam-bola.
Mitohy hatrany ny asan’ny Antenimierampirenena, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitra, Faritany Fianarantsoa, ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa, manoloana ny toe-draharaha eny Tsimbazaza. Tsy misy fankahalana manokana. Amin’ny andrimpanjakana mpanao lalàna: voalohany tsy maintsy hajaina ny fanarahan-dalàna. Araka ny fahatsapana sy iainana misy no nandraisan’ny tsirairay ny ny fanapahan-kevitra: tsy misy ny fanerena na fampitahorana, fa safidy malalaka.





