Hetsika ara-kolontsaina fa mivelatra amina sehatra maro ny « Sambaraha ». Fotoana mampihetsiketsika an’i Fort Dauphin sy ireo zanak’Anôsy izany, isaky ny misy.
«Samba » + « raha », midika hoe « hijery zavatra ». « Samban-draha », maneho « zavatra vaovao ». Hevitra roa, nakana ny hoe « Sambaraha », anarana nampisalorana ny hetsika ara-kolontsaina tontosaina any amin’ny faritr’Anôsy io. Hatao any Fort Dauphin ny andiany faha-8 amin’ny hetsika, ny 26 hatramin’ny 28 desambra ho avy izao. Nosantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ofisialy ny hetsika izany.
« Firaisankina no haseho manerana izao tontolo izao hoe mahavita sy liam-pivoarana ny zanak’Anôsy. Misintona mpizahatany, na teratany na vahiny ny hetsika. Toeram-pizahantany rahateo i Fort-Dauphin. Manana tombony kely izahay satria ny volana desambra no tena miakatra ny isan’ny mpizahatany any an-toerana. Misy fanatanjahantena, fampiroboroboana ny fihariana sy toekarena, fanohanana ny tanora, fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahadiovana », hoy ny nambaran’ny mpandrindra ankapobeny ny vovonan’ny fikambana Hoavin’Anôsy, Razafimahatombo Augustin.
« Mahafaly anay ato amin’ny Yas hatrany ny manohana hetsika ara-kolontsaina, hivelatra amina sehatra maro toa izao. Efa teo hatramin’ny voalohany izahay, ary mbola ho hita sy handray anjara feno amin’ireo hetsika rehetra any an-toerana amin’ity andiany ity », hoy i Manitra Rakotoarimanana, avy ao amin’ny Yas Madagasikara.
Mazava loatra fa hisy ny andiam-pampisehoana anatin’ny hetsika. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Seva, Rabaza, Talike Geleh, Tinah, Mamada, Parish, Lowis, sns. « Nisy hatrany ny mpanakanto hafa ivelan’ny faritra. Jerenay koa ny lafiny maha zanak’Anôsy, ka asiana ireo mpanakanto zanaky ny faritra. Festival no ao Fort Dauphin fa ezahina hatrany hisy fandraisana anjara ny distrika hafa ao anatin’ny faritra. Noraisinay daholo ny kiana mahakasika ny fikarakarana tamin’ireo hetsika teo aloha ka harenina amin’ity izay tsy nety. Nampiakarina kely ny fanandratana ny avy ao Fort Dauphin », hoy hatrany ny fanazavana.
Zo ny Aina





