Tantara amin’ny Radio: Mitady handeha ila ny mpanoratra

Iray amin’ireo fialamboly sady fitaizana mbola maro mpanaraka sy mihaino ny tantara fandefa amin’ny Radio, raha ny eto Madagasikara. Tsikaritra, anefa, fa mitady handeha ila ny mpanoratra. Ny lafin-javatra na tranga hain-dry zareo, voiziny mafy hisongadina ao anatin’ny tantara. Ireo tsy voafehiny na tsy hananany fahalalana, voiziny ihany koa, saingy, mivily any amin’ny lalan-kafa noho izay tsy fahafantarana izay. Mitarika any amin’ny fanomezan-javatra diso ho an’ny mpihaino io tranga io. Rehefa tsy voafehin’ny mpanoratra, ohatra, ny momba ny fomba amam-panao malagasy. Na, tsy atsofony ao anaty tantara soratany. Na, manatona olona mahay sy mahafehy izany, mianatra sy manao fanadihadiana mialohan’ny hanoratana ilay tantara. Mila manana fahalalana matanjaka ihany koa ny mpanatontosa ireny tantara fandefa amin’ny Radio ireny mba tsy handeha ila ny mpanoratra sy ny asasoratra omeny.
Ankoatra ny tsy fahafehezana na tsy fahaizan’ny mpilalao sasany mitana ny anjara toerany ao anaty tantara. Io tsy fahafehezan’ny mpanoratra ny zavatra soratany io no mitarika tsikelikely any amin’ny fahalainan’ny mpihaino hanaraka ny sanganasan’ny mpanoratra sasany. Mety ho tonga any amin’ny fahaverezan-kasin’ny tantara fandefa amin’ny Radio.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: